hamono, iray voasambotra
Miely ny tsaho amin’ny faritra sasany eto Madagasikara entina hampihorohoroana vahoaka fa misy angatra amin’ny alina ka tsy tokony hatory. Tsy natory ny olona tany Morondava sy ny manodidina, ny anatin'ny faritra Menabe rehetra, ny alahady alina nanomboka tamin'ny 2 ora maraina teo. Voalaza fa hisy angatra handalo ka hamono ny olona rehetra, ho fiarovana amin'izany dia asiana vovoka fotsifotsy toy ny hita amin'ny sary ny tarehy. Ho an’ny teto amin’ny Gazety Tia Tanindrazana, nisy mihitsy ny olona any ambanivohitry ny faritra Manabe, any amin’ny tanàna tena ambanivolo, niantso sy nanamarina ny fisian’io miainga amin’ny vaovao ofisialy. Nanambara kosa ny manam-pahefana fa hosamborina izay nanely tsaho fa nanakorontana ny torimason'ny mponina, mamboly horohoro amin’ny vahoaka. Voalaza fa isan’ny niaingan’io tany Toliara, ka voasambotry ny zandary avy ao amin’ny Compagnie Toliara ilay ramatoa, izay voalaza fa isan’ireo nampiely an’ity vaovao tsy marina tao amin’ny tambajotran-tserasera ity ny alin’ny sabotsy teo. Araka ny fampitam-baovao, dia mety hiharan’ny sazy henjana, araka ny lalàna ny olona mampiely vaovao tsy marina sy tsy voamarina. Asa inona no ambadiky ny fanelezana tsaho entina hampihorohoroana saim-bahoaka ? Ny malagasy moa mbola taraiky taon-jato iray ka mora nandairan'ny tsaho sy ninonino foana ny angatra sy matoatoa, hoy ny karazana fomba fijery sy fanehoan-kevitra nanoloana an’io. Zary nitety vanim-potoana ny karazan-javatra hafahafa toa ezahana voizina, toy ny resaka bibiolona fahiny tany amin’ny taona 90, ny kelibetratra, ny halatra taolam-paty izay mbola misy misitery hatramin’izao ny hampiasana azy,… Vao roa na telo taona lasa ihany koa anefa no nisian’ny resaka biby mihinana sy mamono ireo biby fiompy toy ny omby,… ka isan’ny betsaka ireo tranga tena nisiana fahafatesan’ireo biby tany Atsinanan’ny Nosy, saingy nangina sy tsy nisy fanazavana nazava hoe : inona marina no tao ambadika ?
Toky R