airtel

Fandriampahalemana

23-nov-2026

PR JOSEPH-

TSINGERIN-TAONA MAINTY

Sample post image

Midika zavatra hafahafa ny

23-nov-2026

loko mainty sy fotsy ary ny jaky menan’i Fenohasina »
Naneho ny heviny mikasika ilay tsingerin-taona mainty teny Ambohimalaza Avaradrano indray Pr Joseph, mpanompon’Andriamanitra sady mpandinika raharaham-pirenena. Nambarany fa isika rehetra dia samy mangetaheta ny hiposahan 'ny mazava manoloana io asan ' ny maizina io, araka ny famporisihan ' ny tenin ' Andriamanitra ho antsika, izay voasoratra ao amin 'ny ( Isaia 60 : 1 - 2 ) manao hoe : Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr ' i Jehovah efa miposaka aminao. Fa, indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim - pito manarona ny firenena ; fa aminao kosa no hiposahan ' i Jehovah, ary aminao no hisehoan 'ny voninahiny. Noho izany hoy izy dia handeha isika vahoakan ' Andriamanitra rehetra hiara - hisalahy hikatsaka ny fahamarinana fa tsy avelatsika hiady irery ireo mpitsara ao amin 'ny lapam - pitsarana ao Anosy. Ekena fa andraikitry ny fitsarana ilay raharaha, kanefa tena tsikaritra fa misy asan ' ny devoly sy satana ary asan 'ny maizina tanteraka ilay izy, ka izany no anaovana antso avo ho antsika Kristiana rehetra ny hoe : Andao hiara - hisalahy amin ' ireo mpitsara ireo isika, ka isika rehetra samy hitrotro am - bavaka mba tena hiseho ny fahamarinana ; ary izay mahafantatra zava - miafina amin ' izao raharaha izao, dia aoka samy hanambara izany, fa Jesosy Kristy no momba antsika. Teny am - pamaranana dia miantso ireo zandary izay nanao ny famotorana an ' ireo olona voakasika tamin ' iny raharaha tsingerin-taona maizin ' i Fenohasina izay feno vonoan ' olona iny izy. Tsy hidirako lalina ilay daroka sy vono nataonareo tamin ' i Bebe mpisabo sy Rtoa Clarisse, satria raha ho azavaiko eto ilay izy dia ho lavabe, fa na izany aza dia efa hita porofo ihany, fa baiko midina ilay izy, mba ho entina hanakomana ny tena zava - misy marina. Fa ny tiana hambara aminareo zandary dia, hianareo sy ny fitsarana dia mpiara - miasa akaiky, ka miangavy anareo tompoko, alefaso eny amin 'ny fitsarana ilay " Disque dur " mirakitra ilay Camera de Surveillance mba ahafahan 'ny mpitsara sy ny vahoaka manaraka ny zavatra izay nitranga nandritra iny tsingerin-taona mainty feno vonoan ' olona iny. Mino aho fa samy mahafantatra ilay tenin 'i Tompo izay voasoratra ao amin ' ny ( Efesiana 4 : 25a ) isika, izay milaza manao hoe : Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin 'ny namany avy ianareo rehetra. Noho izany, dia aoka tsy hanafinafin - javatra isika amin ' izao raharaha Ambohimalaza izao tompoko, fa midika zavatra hafahafa ilay akanjo jaky mena nanaovan ' i Fenohasina tompom - pety sy ny akanjo mainty sy fotsy nanaovan ' ireo olona nasainy izay tapitra maty, hoy i Pr Joseph.
Pati
Legende : Ny Pr Joseph !
 

Dans la même rubrique

23-nov-2026

Niely ny tsaho fa misy angatra

Card image cap