Fantatr'ireo Polisy tany an-toerana, noho ny angom-baovao voaray, fa misy olona mampiasa sy manaparitaka vola sandoka tao amin'ny tsenaben'Amparihy Taolagnaro. Natao ny vela-pandrika ka lehilahy iray no tratra nampiasa vola sandoka rehefa saika hividy entana. Nisy vola sandoka 20.000Ar roa sy 10.000Ar efatra tany aminy tamin'io fotoana io. Mbola tratra tao an-tranony ihany koa ireo taratasy maromaro fanamboarana ireo vola sandoka. Noentina avy hatrany tany amin'ny biraon'ny polisy ity mpanao asa ratsy ity ka fantatra fa vao 22 taona monja ary monina ao Amboanato kaomominina ambonivohitr'i Taolagnaro. Mitohy ny fanadihadiana hataon'ny polisin'Anôsy mikasika Ity vola sandoka miparitaka any an-toerana Ity noho izany.
Pâti
Légende : Vao 22 taona dia efa milona anaty asa ratsy ity tovolahy kely Ity !
Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha
Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,