Tsy ho antsika eto an-drenivohitra ihany no hisian’izany fa saika manerana ny faritra mihitsy ka anisan’izany ny ao Mahajanga.Mba hisian’ny filaminana sy ny fitoniana ary indrindra ny fandriampahalemana any an-toerana ary dia nisy ny hetsika manokana nataon’ny tanora mivondrona ao amin’ny ADDHM (association de défenseur des droits humains Mahajanga) , tanora studio sifaka, OBS-mada, Observatoire des droits humains ‚ omaly Alarobia 21 Septambra. Nisy ny fakana ny hevitry ny olom-pirenena momba ny fahitana ny fandriampahalemana ao Mahajanga nandritra izany ‚ ny fizarana taratasy mirakitra ny zon’olombelona sy fampahafantarana ny momba izany ary fanadiovana ny manodidina ny toeram-pitsangatsanganana ao amin’ny “ Bord Mahajanga ” . Raha fehezina ny hevitry ny olom-pirenena any an-toerana mikasika ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara dia nambaran’izy ireo fa tena tsy mitovy amin’ny teo aloha intsony. Na ny zaza varira aza mantsy hoy izy ireo misy mangalatra ankoatra ny fakana an-keriny sy ny vaky fasana. Na izany aza dia fantatra fa mbola milamina ny ao Mahajanga raha oharina ny any amin’ny faritra hafa. Nomarihina omaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fandriampahalemana.
Pati
Legende : Nandritra ny fanentanana nataon’ny fikambanana
Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha
Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,