airtel

Fandriampahalemana

27-nov-2023

FANENDAHANA ANATY TAKSIBE

2 lahy nampitaraina olona maro voasambotra

Sample post image

Mirongatra hatrany ny fanendahana anaty taxibe amin’izao eto an-drenivohitra.

27-nov-2023

Manao andiany mihitsy ireo jiolahy ka miisa roa raha kely indrindra izy ireo no indray manao izany. Saron'ny Polisin’ny Boriboritany faharoa teo am-panaovana ny asa ratsiny ireo roalahy havanana amin’izany ny faran’ny herinandro teo teny Ambolonkandrina. Polisy nanao fidinana an-kianja no nahatsikaritra azy ireo efa nandrahona sy nanendaka olon-tsotra teny an-toerana ka nisambotra azy ireo avy hatrany.Marihina fa ny iray amin'ireto olon-dratsy ireto dia efa nahazoana fitarainana maro indrindra tetoao amin'ny tambazotra sosialy "facebook" momba ny resaka fanendahana anaty fiara fitateram-bahoaka. Mitondra fitaovana toy ny antsy maranitra mihitsy izy mandritra izany mba hampitahorana ilay mpandeha ka tsy vitsy ireo efa lasibatra.
Pati
Legende : Ireto ry zalahy !
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha

Card image cap
23-mai-2025

Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,

Card image cap
22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap