airtel

Fandriampahalemana

04-juin-2024

Fanendahana, halatra moto, vaky trano

Any am-ponja ry Fanday, Balaonina, Babaina ary Main

Sample post image

Efa-dahy be izao no indray saron'ny zandary avy amin'ny PA Soamanandrariny,

04-juin-2024

borigadin’Ambohimangakely tamin’ny 18 May alina lasa teo izay samy havanana amin’ny asa ratsy toy ny fanendahana, famakiana trano ary ny halatra moto. Efa manana anarana manokana mihitsy izy ireo toy ny hoe : Fanday, Balaonina, Babaina ary Main, eo anelanelan’ny 19 ka hatramin’ny 25 taona. Raha tsiahivina kely dia toerana maro no efa nanaovan’izy ireo vaky trano sy asa fanendahana toy ny tao Ikianja, Ambohimangakely, Ambohimahitsy, Mahazo, Soamanandrariny, Ankadindramamy, Nanisana, Ampasapito, Amboditsiry, Ankandrina ary Ambaromaro. Fomba nahasamborana azy ireo kosa ny fifanenany tamin’ny mpitandro ny filaminana avy ao Soamanandrariny ny alin'ny 18 hifoha 19 May lasa teo. Efa notanana am-ponja vonjimaika moa izy efa-dahy ireto taorian’ny famotorana natao azy. Na izany aza dia nanamafy ny mpitandro ny filaminana fa mbola azon’ireo olona lasibatr’izy efa-dahy ireto hatao tsara ny mametraka fitoriana momba azy ireo hahafahana manafay azy.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto ry Fanday, Balaonina, Babaina ary i Main !
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha

Card image cap
23-mai-2025

Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,

Card image cap
22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap