airtel

Fandriampahalemana

07-oct-2022

Fandriampahalemana

Fanoherana ny vono sy herisetra Hanao hetsika fanairana ny Paramed anio

Sample post image

Paramed roa indray tamin’ny Zoma faran’ny volana oktobra teo no nataon’ny dahalo nitondra faisana tany amin’ny faritra.

07-oct-2022

Tao Maintirano ny iray izay fantatra fa voatafika rehefa handeha hamonjy ny fiasany ka very tamin’izany ny volany sy ny findainy. Mpiasan’ny CSB II ao Soalala kosa ny iray izay voatafika ihany koa 20 metatra teo akaikin’ny tsena ka naratra mafy. Mahatsiaro ny tenany ho tsy misy fiarovana intsony ireo mpampivelona sy infirmiera eto amintsika vokatr’izany. Manoloana io olana goavana sedrainy io dia hanatanteraka ilay antsoina hoe : journee des solidarites izy ireo anio Zoma ho fanairana ny Fitondram-panjakana. Nambaran-dRalibera Jerisoa, filohan’ny sendikan’ny Paramed eto Madagasikara fa mbola tsy fitokonana no hatao fa fanehoana firaisankina. Rehefa tena minia manam-pitson-tsofina kosa anefa ny Fitondram-panjakana ka tsy misy ny fepetra raisiny dia tsy maintsy hiroso amin’ny fitokonana faobe ihany izy ireo afaka 48 ora hoy hatrany ny fanazavana azo omaly. Nomarihin-dRalibera Jerisoa moa adidin’ny Fitondram-panjakana ny miahy ireny mpiasam-panjakana alefany mamita iraka any amin’ny faritra ireny indrindra fa ny resaka fahasalamam-bahoaka araka ny lalana andiany faha-6 laharana 2003-011.
Pati
Legende : Izy no Ralibera Jerisoa, filohan’ny sendikan’ny paramed eto Madagasikara
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap