Ny alin’ny zoma tokony ho tamin’ny 9 ora alina no naharay vaovao avy amin'ny olona tsara sitrapo ny zandary tao Anosizato, momba ny fahitana olona mampiahiahy nihaodihaody mitondra basy anaty akanjo tetsy Anosizato Andrefana. Teny Lalambola Ankazotoho Anosizato no nisian’ity toe-javatra. Nidina niaraka tamin'ny zandary teny an-toerana avy hatrany ny CB sy ACB Fenoarivo ary ny CP Anosizato nampian'ny EIR Tanà/Ville. Vao nahatazana ireo zandary anefa ireto farany dia vaky nandositra sady nitifitra ihany. Raikitra ny fifanenjehina, nifampifitra tamin'ny zandary ireo jiolahy ireo. Vokany, 3 tamin'izy ireo no namoy ny ainy, tratra niaraka tamin'izy ireo ny basy 1 miaraka amin'ny bala 3 voakosika, hoy ny tatitra. Somary natao vazivazy moa ny hoe : «billet direct » 3 no nozaraina, teo anatrehan’ireo miisa 3 maty. Ankoatra io dia jiolahy iray ihany koa no lavo teny Ampasika ny faran’ny herinandro teo.
Toky R
Nisehoan’ny zava-doza indray ny faritra Tanjombato, raha hita faty teny amin’ny Barrage