Natao izao mba ho anisan’ny hiadiana amin’tsy fandriampahalemana; eo amin’io toerana io mantsy no malaza ratsy hitrangana herisetra amin’iroe mpitondro kodiaran-droa (moto). Ary dia nisy namoy ny ainy mihitsy moa.Manararaotra ilay toerana mangiana sy maizina ireo jiolahy, mifitsaka any ambadimbadika any dia ireny fa mipoitra tampoka mively avy hatrany amin’ny vatan-kazo, dia lasa ny fanana, maratra ny mpitondra moto ary mety hanaraka hatramin’ny aina mihitsy aza.Tsara ny fametrahana jiro fa tsara kokoa ny fampitomboana ireo mpitandro filaminana mitsirika sy mivezvezy amin’ny toerana efa sokajiana fa mampiahiahy mba hhiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana. Maro ireo fokontany ohatra no maniry ny hisiana “poste avancé” n’ny polisy na zandary ey amin-dry zareo fa tsy hoe vitan’ny “patrouille” mivezivezy amin’ny alina fotsiny ny ady amin’ny asa-jiolahy. Raha ny fantatra moa dia olana ara-pitaovana, ara-bola sy arak’olona no mbola tsy hahavitan’ ny mpitandro filaminana izany. Ny zava-misy anefa dia miha manaporofo isan’andro fa tokony atao laharampahamehana tahaka ny sakafo, fitsaboana, fampianarana ny fandriampahalemana; izany hoe tena hanatontonan’ny fanjakana ny ron-dohany sy ny paikadiny ary ny vola eo am-pelatanany.
RTT
Lehilahy lehibe iray 60 taona no tratra nihanika tambohon’olona teny Saropody ny Sabotsy teo tokony ho tamin'ny 05ora maraina.
Lehilahy iray 27 taona no tratran'ny Polisy miasa ao Tanjombato nangalatra moto teny Ankadinandriana ny Sabotsy
Notafihin'ny dahalo enin-dahy nitondra basy hazo enina ny taxi brousse roa izay avy any amin’ny distrikan’i
Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amin'ny renivohitry ny kaominina ambanivohitra Andranomisa Distrikan’ Anjozorobe
Miverina ny fangalarana “batterie” amin’ny fiarakodia any anaty tanàna eny Andrefambohitra Ampitatafika.
Saika zava-doza no nitranga tany Ambohimandroso, Fokontany Amparihilava, kaominina ambanivohitra Tamponala ny faran’ny herinandro teo.