airtel

Fandriampahalemana

07-oct-2021

Fandriampahalemana

Fiarahamonina Mahazo vahana indray ny fitsaram-bahoaka

Sample post image

Miha mahazo vahana indray ny fitsaram-bahoaka amin’izao fotoana izao, na ambanivohitra na an-dRenivohitra. Vao ny herinandro teo ilay fifanjevoana tany Antanetibe Anativolo,

07-oct-2021

distrikan’Anjozorobe, izay nisiana fandorana biraon’ny zandary taorian’ny tsy fifankahazoana noho ny fahafatesana lehilahy iray notifirin’ny zandary voalaza fa niaro tena. Tranga roa samihafa no ny tetsy Namontana nisiana mpangalatra moto tratran’ny olona omaly, ka voadaroka, ny ainy sisa tsy afaka vokatry ny fitsaram-bahoaka. Toy izany ihany koa ny tetsy Andraisoro izay nataon’ny olona nahita faisana mihitsy omaly. Mitamberina misy mampahatsiahy ihany koa ireo sarina mpamaky fasana nampiombozonin’ny olona karan-doha tany Anivorano Avaratra efa tamin’ny volana jona, saingy nentina naneho fa tena tsy mihambahamba amin’ny fitsaram-bahoaka indray ny olona. Ekena ary tohanana ny hoe: ilaina ny fiaraha-miasa eo amin’ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana. Izay foana no resahina hoe: mila miara-miasa ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana, izay indraindray toa lasa midika hoe fianteherana amin’ny fokonolona, kanefa misy ny mpitandro filaminana matihanina sy mandray karama isam-bolana amin’ny amin’izany sy afaka tonga dia miditra an-tsehatra haingana dia haingana, fa tsy ianteherana lava amin’ny fokonolona. Ny loza dia misy fotoana lasa manapa-kevitra ny hanao izay hitany fa mety amin’izay ilay fokonolona satria zary miantehitra amin’ny afo lavitra tsy azo hamindroana. Tsy fanenjehana ny mpitandro filaminana sy manam-pahefana fa ny ahiahy hafa manginy fotsiny toy ny hoe: ho votsotra indray izao io vao alefa any,…. Mila alamina, mila rindran-damina mazava ny fampandriana fahalemana na ambanivohitra na an-tanàn-dehibe, mila fifampatokisana,… Isan’ny zava-dehibe tsikaritra eto Antananarivo amin’izao aloha ny fisiana mpitandro filaminana izay tena miditra anaty tanàna rehefa alina, toy ny hita tamin’iny faritra Ampandrana iny, izay sady manampy no manome toromarika amin’ny fahamailoana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap
23-avril-2024

Tranga niseho tamiko ny alahady teo izy ty ka tantaraiko eto mba hitandreman’ny rehetra amin'ny manaraka,

Card image cap
23-avril-2024

raha ny fampitam-baovao voaray. Nofitahiny ilay vehivavy ary nentiny tany ambanin'ny CEG Soamalaza,

Card image cap
23-avril-2024

Nifanehatra tamin'ireo zandary nanao fisafoana tao Ambohimilemaka kaominina Mahitsy

Card image cap
23-avril-2024

Vehivavy no tompon-dakan’ny halatra finday any amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap