airtel

Fandriampahalemana

15-févr-2023

Fandriampahalemana

Fidirana ho polisy Ny 18 sy ny 19 martsa ho avy izao ny fanadinana

Sample post image

Hotanterahina ny 18 sy 19 martsa ho avy izap ny fifaninanana hidirana ho mpianatra ho Polisy ( sokajy : Agent de Police , Inspecteur de Police, Officier de Police , Commissaire de Police ) dingana voalohany.

15-févr-2023

Amin’ny Alakamisy 16 febroary ho avy izao no fara fisoratana anarana raha araka ny loharanom-baovao azo . Ho an'ireo izay mbola tsy nahavita ny antotan-taratasy dia mbola afaka mijery ny andinindininy ao amin'ny tranokalam-pifandraisan'ny Polisim-pirenena (www.pn.gov.mg) sy eny amin'ireo toerana hiasan'ny Polisim-pirenena. Ho an'ny any amin'ny faritra kosa dia hita eny anivon'ny fitaleavam-paritry ny Polisim-pirenena izany . Ho an'ireo izay efa nahavita ny fanaterana ny antontan-taratasy rehetra diaafaka manatona ny foibem-panadinana izay nosoratany tao amin'ny "fiche d'inscription " izy ireny manomboka ny 14 Martsa ho avy izao , ary amin'ny fotoana io no hivoaka ny anarana sy ny laharan'ireo kandida afaka miatrika ny fanadinana izay mahafeno ny fepetra ara-dalana amin'ny mahampiadina azy sy ny toerana voatondro hanatanterahana izany. Ny fizarana ny taratasy fiantsoana ihany koa dia azon'ny kandida anontaniana eny amin'ny foibem-panadinana izay nosafidiany amin'ny fotoana hizarana izany. Ny fanaovana hosoka sy ny fampiasana hosoka amin'ny antotan-taratasy hampiasain'ny kandida dia henjehin'ny lalana ary tsy mandefitra amin'izany ny Polisim-pirenena fa ho enjehina araka ny lalana velona sy manan-kery.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

13-mai-2025

Efa nisy teto ny hoe hala-jaza, mpaka fo, mpangalatra taolam-paty, mpaka an-keriny,

Card image cap
13-mai-2025

Mbola tsy nisy tranga nampalahelo sy nampivarahontsana tahaka ny namonoana

Card image cap
09-mai-2025

Rongony miisa 100 gony milanja 1450 Kilao no sarona tao Agnalampangitsy,

Card image cap
09-mai-2025

Rongony miisa 100 gony milanja 1450 Kilao no sarona tao Agnalampangitsy,

Card image cap