misy ny foibem-panadinana miisa 06 eto amin'ny Nosy ka ny foibem-panadinana voalohany dia eto Antananarivo Renivohitra, ahitana ny sokajy voalohany ny élève Commissaire de Police, élève Officier de Police, élève Inspecteur de Police, ary élève Agent de Police. Ho an'izay mpiadina teto sy tany amin'ny faritany rehetra na faritany teo aloha rehetra dia eto Antananarivo avokoa no miatrika izany ho an'ny élève Inspecteur de police ka hatramin'ny élève Commissaire de Police. Ho an'ny élève Agent de Police kosa dia any amin'ny renivohi-paritany teo aloha ka amin'ireo renivohi-paritany nanaovana ny fanadinana voalohany ihany no hanaovany ny fanadinana fiodinana faharoa izany. Ho an'ny eto Antananarivo Renivohitra raha ho an'ny adina am-bava dia ao amin'ny Direction Générale de Police no hanatanterahana izany fanadinana fiodinana faharoa izany ao amin’ny sampandraharaha misahana ny fandraisana mpiasa. Eny amin'ny ENSP Ivato (École Nationale Supérieure de Police) kosa no hanatanterahana ny adina ara-panatanjahantena ho an'Antananarivo Renivohitra. Ho an'ny any amin'ny faritra kosa dia ireo Direction Régionale Isam-paritra no mandamina ny adina ara-panatanjahantena. Raha araka ny fantatra moa dia efa natao peta-drindrina eny amin'ireo birao fitaleovam-paritry ny Filaminam-bahoaka manerana ny Nosy ny lisitr'ireo hiatrika ny fiodinana faharoa hidirana ho polisy. Hanomboka amin’ny 07 ora maraina ny adina.
Pati
Legende : Hafana indray ny fanadinana hatrehin’ireo hiditra ho polisim-pirenena eto amintsika
Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha
Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,