efa raindahiny amin'ny fanaovana asa ratsy sahady. Voasambotry ny zandary ny marainan'ny Alarobia 03 desambra 2025 teo izy tao Ankininina Matsaborimamelona, fokontany Androibe Sakalava, kaominina ambanivohitra Antsatsaka, distrikan' Ambanja, nandritra ny fifandonana niseho tao an-toerana. Naratra voatifitra moa ity farany rehefa nitsapa ny fahaiza-manaon'ny zandary ka nanohitra. Jiolahy miisa 2 izy ireo no niafina tao Ankininina/ Matsaborimamelona raha tsiahivina. Rehefa nihetsika ny zandary notarihin'ny lefitry ny komandin'ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Ambanja niroso tamin'ny fisamborana dia nitady lalana hitsoahana avy hatrany ireo olon-dratsy sady nanapoaka ny basy teny aminy ka nandritra izany no nahavoatifitra ny iray ary izao azo sambo-belona izao. Basy vita gasy iray nampiasain'ireto olon-dratsy ireto no tratra teny aminy niaraka tamin'ny bala. Naratra ihany koa ilay jiolahy iray saingy mbola tafatsoaka. Tsy vao sambany no re ary efa nokarohina nandritra ny fotoana naharitra i VAKISOA noho ny fandraisany anjara tamina raharaha fanafihana mitam-piadiana sy fanaovana asa ratsy samihafa tao anatin'ny distrikan' Ambanja. Manohy ny asany ny zandary ao Ambanja mahakasika ity raharaha ity ary mbola miandrandra fiaraha-mientana amin'ny olom-pirenena amin'ny fikarohana ny namany.
Pati
Légende : Ela ny nitoratorahana ilay ranamana ity !
Taorian'ny fampitam-baovao nataon'ny