airtel

Fandriampahalemana

02-oct-2023

Fikambanana Albinos Madagascar

Leo ny tsy firaharahian’ny Fanjakana izahay

Sample post image

Leo sy tofoka tanteraka amin’izao fitondrana mijoro izao ihany koa ny fikambanana Albinos Madagascar tarihin’ny

02-oct-2023

filohany Soja Ramiandrisoa Fulgence. Natao an-kilabao hatrany mantsy ireo olona manana toe-tena varira hatramin’izay hoy izy raha nanao fanambarana ny fikambanana tamin’ny Sabotsy lasa teo raha toraka izay ihany koa ny fisian’ny fikambanana. Tsy misy hita daholo ny tohin’ny raharaham-pitsarana rehetra momba ireo olona varira, hoy hatrany izy raha toraka izany ihany koa ny fototry ny tena olana. Tsy hanaiky ary tsy handefitra intsony izy ireo manoloana izany.Nampahafantatra ny mpitondra ankehitriny sy izay vaovao ho avy eo araka izany ny fikambanana fa tena tsy hanaiky intsony ny tsy fandriampahalelana mahazo ireo olona manana toe-tena varira. Hotakian’izy ireo hatrany ihany koa ny hivoahan’ny marina mikasika ny raharaham-pitsarana rehetra izay karazan’ny modian’ny tompon’andraikitra sasany fanina fotsiny noho ny antony tsy fantatra. Miantso ny olom-pirenena rehetra mba hanampy azy hitady vahaolana ihany koa moa ny fikambanana indrindra fa ny mahakasika ilay zazavavy kely vao 18 volana nalain’ny dahalo mpaka an-keriny tao amin’ny Fokontanin’i Morarano, kaominina ambanivohitr’Ankilizato, distrikan’i Mahabo, Faritra Menabe tamin’ny Talata lasa teo. Efa any an-dakazerina arovana kosa ny ain’ilay Reniny sy ny zokiny varira iray ary ny dadany.
Pati
Legende : Hijoro hitaky ny marina momba ireo namany ihany koa ireo olona manana toe-tena varira !


 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha

Card image cap
23-mai-2025

Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,

Card image cap
22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap