Nitifitra avy hatrany ireto farany raha vantany vao nahatsikaritra izany no sady niaro ny tenany ka jiolahy 01 no lavon'ny balan'ny Polisy. Tafaporitsaka kosa ilay jiolahy namany iray hafa ka mbola hifampitadiavana hatramin’ny omaly hariva. Tsy tontosa vokatr’izany ilay fanafihana saika nataon’ireo jiolahy ireo. Tsiahivina moa fa voasokajy ao anatin’ny faritra mena mihitsy ny tananan’ny 67 ha amin’izao. Ankoatra ny mpanendaka sy ny jiolahy mitam-basy mpanao fanafihana tahaka izao dia eny an-toerana ihany koa no ahitana ireo ati-doha mpamatsy zava-mahadomelina ny manodidina azy toy ny cocaine…. Tokony ho hentitra amin’ny fanaraha-maso iny faritra iny ny mpitandro ny filaminana noho izany.
Pati
Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha
Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,