tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 26 Mai 2023

airtel

Fandriampahalemana

Fisolokiana eny amin’ny cash point Nahazoana 5 tapitrisa Ar nananganana épicerie

Olona miisa telo, vehivavy ny roa 39 sy 21 taona, ary lehilahy 22 taona no nosamborin'ny Polisy misahana ny ady heloka bevava sakelika voalohany Anosy ny 21 martsa teo teny Ambondrona rehefa nisoloky.

24-mars-2023

Sample post image

Ny 11 febroary teo raha tsiahivina dia nisy cash point iray voasolokina vehivavy miisa roa teny Behoririka. Mizara ireo vehivavy roa ireo ary efa mipetrapetraka avokoa ny teti-dratsiny. Tonga eo amin'ny cash point maka ny mombamomba ny cash point ny iray, izany hoe : fantariny ny tompon'ilay cash point. Rehefa azony izany dia lasa izy. Afaka herinandro dia tonga eo amin'iny cash point iny ny namany iray hafa manontany hoe : aiza ny tompon' ilay cash point dia nilaza ny ankizy nitazona ilay trano fivarotana fa mbola tsy eo izy. Mitonona io vehivavy misoloky io fa hanakalo "solde" ary lazainy fa tsy any aminy ilay vola fa napetrany tamina tranom-barotra iray ao Behoririka ary asainy hajanona amin'izay olona afaka misolo azy eo ny finday sy ny vola ka entiny manaraka azy izay mitazona ilay cash point. Rehefa lasa elaela izy ireo dia tonga eo amin'iny cash point iny ny vehivavy iray hafa namany milaza indray fa atao "transaction à distance" ilay vola fa efa nantsoiny ny tompona cash point fa omena azy ny code andefasana azy ka mody antsoiny ilay akizy mitazona ny cash point. Rehefa azony amin'izay ny code dia miantso ilay vehivavy namany mpisoloky nitondra an' ilay ankizy mitazona cash point izy miteny fa efa azo ny code. Rehefa Tonga amin'ilay tranom-barotra voalaza fa hakana ilay vola ilay mpisoloky dia asainy miandry vetivety eo ivelany ilay ankizy fa hoe : haka an'ilay vola izy ary amin'iny fotoana iny izy no mandositra. Vola mitentina 5. 000 000Ar no azon’izy ireo tao anaty orange money sy airtel money. Mbola saika hanohy ny asa ratsiny ireto tovovavy roa ireto ka nanao ny fisolokiana mahazatra azy teny Ambondrona. Tsy tao an-tsain'izy ireo ny vela-pandrika efa nataon'ny Polisin’ny BC1 sy ilay tompon'ny cash point teny an-toerana ka nosamborina avy hatrany ilay vehivavy. Tao anatin'ny fanadihadiana no nahafantarana fa nampiasain'ilay vadin'io vehivavy mpisoloky io sy ny rafozany nananganana épicerie io vola io saingy izao izy ireo tratra izao. Mbola eo an-dalam-pikarohana ny naman'ity vehivavy ity kosa ny Polisy hatramin’ny omaly.
Pati
Legende : Ireto izy mirahavavy sy ilay lehilahy miaraka aminy
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Ady amin’ny tsy fandriampahalemana Hiara-hiasa amin’ny zandary ny fokonolona eny Talatamaty
26-mai-2023

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy. Tafiditra ao anatin’izany ny kaominina Talatamaty, ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo.

Card image cap
Faha-100 taonan’ny SEMIPI Nanotrona tany an-toerana ny fikambanana Perfect Madagascar
26-mai-2023

Nafana ny fankalazana ny faha-100 taonan’ny Ancien des enfants de troupe na ny sekoly miaramilam-pirenena eto Madagasikara (SE.MI.PI) tany Fianarantsoa.

Voir plus