herinandro ho avy izao sy ny fahatongavan’ilay Filoham-pirenena vahiny manan-kaja eto amintsika ny fitandroana ny filaminana isan’andro manerana ny Nosy. Ho an’ny Polisim-pirenena manokana dia nambaran’ny Tale jeneraliny ny Contrôleur Général de Police Rakotozanany Dany Marius omaly fa hohamafisiny ny fitandroana ny filaminana mialoha, mandritra ary aorian’ny fetin’ny Paska manerana an’i Madagasikara. Ho an’ny faritra Analamanga manokana dia hampitomboana ny isan’ ireo Polisim-pirenena misehatra eny an-kianja. Misy ny lamina sy paikady efa napetraka mahakasika izany ary hohamafisina manokana ny fisafoana izay hiarahana miasa amin’ny Hery Fiarovana sy Filaminana rehetra dia ny Zandarimariam-pirenena ary ny Tafika malagasy. Tsy latsa-danja amin’izany ny fitandroana ny filaminana mandritra ny fitsidihana ofisialy hataon’ny Filoham-pirenena vahiny eto Madagasikara sy ny fivoriam-ben’ny Komision’ny Ranomasimbe Indiana (COI) izay hatao eto amintsika. Mandray anjara mavitrika amin’izany ny Polisimpirenena raha ny nambaran’ny Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena hatrany. Mahafinaritra ny ezaka ny fandraisana andraikitra tahaka izao saingy hetahetan’ny mponina ny hitohizany mandavan-taona fa tsy hijanona amin’ny andro fety sy ny vanim-potoana hahatongavan’ireo vahiny manan-kaja eto amintsika ihany. Tena efa diso mangirifiry loatra mantsy ny mponina ny amin’ny fisian’ny tsy fandriampahalemana eto amintsika.
Pati
Legende : Ireo Polisim-pirenena nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly !
Nisehoan’ny zava-doza indray ny faritra Tanjombato, raha hita faty teny amin’ny Barrage