airtel

Fandriampahalemana

16-déc-2021

Fandriampahalemana

Fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna Basy miisa 493 no nisy nanatitra an-tsitrapo

Sample post image

Basy 493 no natolotry ny Lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin, ny Fitaleavan’ ny Fanompoam-pirenena sy fiandry omaly 15 desambra teny Andohalo.

16-déc-2021

 Azo tamin’ny hetsika fampandriana fahalemana nataon’ny Etamazaoron’ireo Tafika sy naterin'ireo olona an-tsitrapo ireo basy ireo, ka tafiditra ao anatin’ny hetsika "iray volan’ny famotsoran-keloka amin’ny fitazomana basy tsy ara-dalàna" ny 16 novambra-15 desambra, natao hamongorona ny fiparitrahan’ny fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna, hoy ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena. Ny faritra Bongolava, Melaky, Tsiribihina no nahitana basy tsy ara-dalàna betsaka indrindra. Misy ny basy mahery vaika, misy basy vita gasy maro, basim-borona, grenady 6, cartouche-na bala 50 eo,... Tsy misy avy any amin’ny tafika ireo raha ny fanamarihana. Hojerena manokana ny tena fihavian’ireo basy vita gasy hoe: aiza ny fototra? Nanome voninahitra ny fotoana ny Talen’ny Kabinetra eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly RajaonarivonY Alexandre, izay nankasitraka izao vokatra izao. Hatreto dia mitôtaly 610 ireo basy tsy ara-dalàna voaangona manerana ny Nosy ary miitatra hatramin’ny 30 desambra ny fe-potoana ahafahana manatitra ny basy tsy ara-dalàna. Tsy misy arakaraka na fanasaziana ny fanaterana an-tsitrapo ny basy mandra-pahatongan’io fotoana io. Aorian’izao kosa dia hisy ny baiko hisafoana sy hitadiavana hatrany ifotony ny olona mitazona basy. Maro ny ambana, mivoatra ny fitaovana sy paikady entin’ny mpanao ratsy, ka mivoatra tahaka izany ihany koa ny an’ny foloalindahy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap