airtel

Fandriampahalemana

07-juin-2023

Fandriampahalemana

Fitsaram-bahoaka nahafaty olona telo • 47 nidoboka am-ponja • Voatonona ny anarana depiote iray…

Sample post image

Taorian’ny fiakarana fampanoavana, olona 47 be izao tamin’ireo 107 voarohirohy sy nosamborina tamin’ny raharaha

07-juin-2023

Fitsaram-bahoaka tao Lalazana kaominina Ambanivohitra Soahindrana distrikan’i Vohibato Fianarantsoa tamin’ny sabotsy 27 may lasa teo no nidoboka am-ponja. Mbola misy ihany koa ny olon-kafa karohana amin’io raharaha io. Niverimberina nandritra ny fanadihadiana an’ireo olona be dia be ireo ny filazana fa hoe nomena baiko izy ireo nanao iny fitsaram-bahoaka iny, hoy ny mpitsara ao Fianarantsoa Rtoa Tinah Rabendrainy tamin’ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety. Nambaran’ny mpitsara ihany fa anisany voampanga amin’ity raharaha ity ihany koa ny solombavambahoaka voafidy tao Vohibato. Voamarina hatreto, hoy izy, fa tsy olon-dratsy na mpangala-jaza ireo niharan’ny fitsaram-bahoaka ireo fa mpandraharaha mpanao vato. Raha tsiahivina moa dia voatondro ho mpangalatra olona ireo olona miisa 4 nitondra fiara tsy mataho-dàlana, hany ka nanaovana fitsaram-bahoaka ary maty ny 3, raha toa ka naratra mafy ny iray. Tetsy andaniny, nanameloka ny fisamborana faobe nataon’ny mpitandro filaminana ny depiote voafidy tao Vohibato kolonely Martin. Nambarany fa niaro tena ny vahoaka fa tsy namono olona fahatany. “Tsy mpanao aferam-batosoa fa mpanakan-dalana mpiantsena ireo olona matin’ ny fokonolona”, hoy ny tatitra voalaza fa nataon’ny lehiben’ny fokontany tany amin’ny depiote. “Nohamafisin’ity farany fa izy no nampirisika ny fokonolona mba hiaro tena raha tena olon-dratsy izy ireo. Araka ny resaka nifanaovan’ ity solombavambahoaka ity tamin’ny mpanao gazety ao Matsiatra Ambony ka naparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera, olon-dratsy ireo namoy ny ainy. Milaza ity olom-boafidy ity fa tsy misy fitsaram-bahoaka fa “légitime défense” no nisy”, hoy ny ampahan-dahatsoratra an-gazety iray taorian’ny tranga. “Raha ohatra ka marina ny zavatra ataonareo, miady ianareo, miaro ny tenanareo ianareo, miaro ny fanananareo ianareo fa voizina amina raharaha hafa ity raharaha ity”, hoy hatrany izy tamin’izany. Ity farany izay nilaza fa izy kolonely Martin ihany no raiamandreny niteraka ny fandriampahalemana ao Vohibato, fa ny ankoatra izay mpisoloky, mpandainga. Manana zo tsy azo samborina na “immunité parlementaire” raha tsy tratra ambodiomby ny depiote izay ao anatin’ny fivoriana ara-potoana, ary mila fahazoan-dàlana avy amin’ny Birao maharitra ny fisamborana.

Nanaitra tato ho ato ny fanambarana imasom-bahoaka nataon’ireo olom-boafidy IRD miantso fampiharana ny fitsaram-bahoaka, toy ny tamin’ity raharaha tany Vohibato nataon’ny Kolonely Martin ity sy ny an’ny Depiote Velontsara Paul Bert tany Port-Bergé. Marina fa mety misy ny tsy fahatokisana ny fitsarana fa manomboka tezaina amin’ny kolontsain’ny fifamonoana ve ny Malagasy ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

21-sept-2023

Jiolahy 3 lahy nitondra basy sy antsy no nanafika sy nandroba toeram-pivarotana fitaovana fanamboarana trano na

Card image cap
21-sept-2023

Tena efa tsy mifidy harapaka intsony ireo jiolahy ankehitriny. Jiolahy miisa 3 no indray nanafika tokantrano iray tao Antanetibe

Card image cap