airtel

Fandriampahalemana

05-août-2026

Fitsaram-bahoaka

Nirongatra , miha zava-doza

Sample post image

ny fahasahian’ny olona…

05-août-2026

Lehilahy iray voalaza fa nanendaka olona nitaingina moto no namoy ny ainy vokatry ny fitsaram-bahoaka tao Tsaramandroso Mahajanga, akaikin’ny Plateforme, omaly 04 aogositra tolakandro. Voalaza fa tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny izy, ka nenjehin’ny fokonolona ary niafara tamin’ny fahafatesany. Mbola andrasana kosa ny fanazavana ofisialy avy amin’ny tompon’andraikitra momba ity tranga ity. Olona voarohirohy ho mpangala-jaza saika tratry ny fitsaram-bahoaka teny Ilanivato, ka nitsoaka sy nitolo-tena teny amin’ny mpitandro filaminana ireo olona 3 voarohirohy izay samy nidoboka am-ponja. Tahaka izany ihany koa ireo olona roa teny Tsaramasay andro vitsy taorian’io, izay saika matin’ny olona raha tsy tonga ny mpitandro filaminana. Ny 12 jolay, tany Maintirano, maty nodoran’ny olona ilay lehilahy voarohirohy ho namono vehivavy iray sakaizany. Ny tany Ambositra, nodoran’ny olona ny trano sy fananan’ny olona voarohirohy tamin’ny famonoana ilay zazavavikely antsoina hoe Larissa, ankoatra ny hetsika nanerana ny tanàna nitakiana ny marina sy ny rariny. Nitohy teny Mahazo sy Ambodahy sy Ankadindramamy, izay norotahan’ny vahoaka ny olona roa vavy sy lahy, niampy ilay vehivavy iray izay nidoboka am-ponja vonjimaika. Lehilahy voalaza fa tsy salama saina no matin’ny fitsaram-bahoaka tany Faratsiho ny 30 jolay rehefa voatondro molotra ho mpangala-jaza. Afak’omaly, nisahotaka ny olona tao Tsinjoarivo Ambatolampy rehefa naheno antso vonjy nataon'ny ankizy mpiandry omby fa hoe : misy manenjika izy ireo. Raikitra ny fanenjehana ireo olona nampiahiahy nataon'ny Fokonolona nampian'ny zandary. Roalahy no azo sambo-belona, naratra voatifitra teo amin'ny feny ny iray. Ampahany ireny, izay maneho fa tena mafana ny fahatezeram-bahoaka izay misy ny mahatsara sy maharatsy azy. Miha zava-doza ny fahasahian’ny olona raha tarafina amin’ireny fandorana velona ireny. Amin’ny lafiny iray, dia anatra sy lesona hitandreman’ireo mbola manana eritreritra hanao ratsy. Anjomara ho an’ny manam-pahefana hamerina sy hanamafy ny fifampitokisana. Amin’ny lafiny iray ihany koa dia mety hampidi-doza ny tondro molotra, halako bika tsy tiko tarehy, ny tsaho,… ary ny lalàna sy lalàmpanorenana dia mandrara marindrano sy manameloka ny fitsaram-bahoaka. Sanatria ny hoe miaro ireo heverina na olon-dratsy na ahiahiana fa mitoetra foana ny hoe : mbola misitraka ny zo tsy maha meloka na « présomption d’innocence » ny olona iray raha mbola tsy misy didy raikitra manameloka azy. Fepetra efa raisin’ny manam-pahefana ny famindrana haingana ireny olona ahiana ho nanao ratsy reny, izay misy ny voasoroka, fa misy ny tsy voaaro. Ny valala misy, ny mpilaza mahay hoy ny fitenenana, ka mila fitandremana satria henjakenjana ny sary sy fahasosorana eny amin’ny fiarahamonina, betsaka ihany koa ny mety fanararaotana eny fa mety misy aza fampiasana olona hanakorontana toy ny fanamarihan’ny olona sasany teo aloha hoe : ny tazana teny Ilanivato ihany no nisy tazana teny Tsaramasay,… Mila fahamalinana sy fahamailoana ary fitandremana mba tsy vao mainka handraraka menaka amin’ny afo mirehitra manoloana ny endrika korontana na fanakorontanana ny fiarahamonina.
Toky R

 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Taorian'ireo 16 tany Toliara izay

Card image cap
07-août-2026

an’ny andrimasom-pokonolona

Card image cap
07-août-2026

Jiolahy miisa 4 mandeha moto no nanafika

Card image cap