airtel

Fandriampahalemana

22-août-2022

Fandriampahalemana

Fonja vaky tany Fenoarivo atsinanana Gadra iray no mbola ifampitadiavana

Sample post image

Nahitana fonja vaky matetika teto amintsika tato anatin’ny volana vitsy izao. Vaky afak’omaly Sabotsy 20 Aogositra indray ny fonjabe ao Fenoarivo Atsinanana.

22-août-2022

Raha araka ny vaovao azo dia tokony ho tamin’ny 01 ora folakandro no nisehoan’izany. Tafaporitsaka vokatr’izany ny gadra roa raha araka ny vaovao azo. Ny iray tamin’ireo dia mbola tsy voatsara raha efa mamita ny saziny 7 taona an-tranomaizina sazy mihatra kosa ilay iray hoy hatrany ny vaovao azo. Na izany aza efa tratra tao Ampasipotsy Anjoba omaly ilay voafonja iray mbola tsy voatsara. Mbola karohina kosa ilay iray efa mamita ny saziny 7 taona. Tsiahivina moa fa vao mainka mampitombo ny sazin’ny voafonja iray ny fitsoahana tahaka izao. Raha araka ny fantatra dia ity no fahavakisana fonja fanindroany niseho tao Fenoarivo Atsinanana. Miantso ny tompon’andraikitra araka izany ireo mponina any an-toerana mba hijery akaiky ny zava-misy indrindra fa ny tsy fandriampahalemana ankehitriny manoloana ireo voafonja mitsoaka tahaka itony izay tena atahorana tokoa.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap