airtel

Fandriampahalemana

31-mai-2022

Fandriampahalemana

Halatra goudron Hahazoana10.000 ka hatramin’ny 15.000 Ar ny iray barika

Sample post image

Ankoatra ny halatra vatokely izay hangadian’ny sasany eny amin’ny arabe mihitsy noho ny fahasahiranana vokatry ny hasarotan’ny fiainana dia mandeha any amin’ny fangalarana tara na goudron ihany koa amin’izao ny sasany.

31-mai-2022

Olona miisa 10 no voasambotra tany Betafo omaly ka anisan'izany ny filoha tale jeneralin'ny orinasa manamboatra ny lalana any an-toerana. Tafakatra 10 600 kg mantsy ny tara izay nangalarny in’izy ireo, tokony hamitana ny lalam-pirenena fahaefatra izay mbola tsy vita tanteraka ankehitriny. Kamiao iray no karamain’izy ireo hanao izany. Avy any Moramanga io kamiao io no nosakanan’ny mpitandro ny teo Carion ka nosavaina. Tratra tao anatiny avokoa ireo tara efa nifatratra tamin’ny barika maromaro. Raha araka ny vaovao azo tamin’ny mpitandro ny filaminana moa dia misy tambajotra mihitsy ity mpangalatra tara ao Betafo ity. Kopaka hisasahana ny vola azo. Ho an’ireo mpangalatra ohatra dia mahazo 10 000 hatramin'ny 15 000 ariary isaky ny barika iray izy ireo nefa mahavita barika 4 isan’andro raha kely hoy ny loharanom-baovao azo. Efa misy ihany koa ny mpandray tonga dia vonona izay saika mandoa vola mialoha hatrany na dia mbola tsy vita aza ny asa. Hiakatra fitsarana tsy ho ela ny raharaha.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy 10 mianadahy
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap