rehefa nangalatra kojakojana fiara. Polisy nanao fisafoana tamin’iny toerana iny no nahatsikaritra olona hafahafa misikotra varavarana fiaran’olona mitoby amin’ilay fiantsonana na « Parking ».Rehefa nanantona azy ireo ny Polisy dia nirifatra nitsoaka avy hatrany izy ireo. Raikitra ny fanenjehana nandritra izany ka tra-tehaka ireto mpamaky fiara ireto. Marihina fa mbola teo ampanaovana ny asa ratsiny mihitsy ireto jiolahy ireto no izao tra-tehaky ny Polisy izao ary efa saika haka kojakojana tao anatin'ilay fiara. Noentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy izy ireo nanaovana fanadihadiana. Tamin’izany no nahafantarana fa izy roalahy ireto no tena hikoizana amin’ny famakiana sy fangalarana ireo kojakoja amina fiara izay mijanona amin’ny toerana fametrahana fiara toy izao eny amin’iny faritra Anjanahary iny.
Nangonin’i Pati
Legende : Izy roalahy , raindahiny tamin’ny ahalatra kojakojana fiara teny Anjanahary
Niparitaka ary niteraka adihevitra teny amin’ny tambajotran-tserasera omaly ny fisiana tovolahy iray vao nivoaka ho zandary, nanapatra fahefana sy nandrahona milaza fa hanapotika fiainana tovovavy iray tsy nanaiky azy,
Niasa mafy ny polisim-pirenena nandritra ny taona 2019 ka hatramin’ny taona 2023 no mankaty. Olon- dratsy isan-tsokajiny miisa 1.442 izany hoe no nosamborin’izy ireo ka ny 255 isa tamin’ireo no namoy ny ainy.
Fanorenana foto-drafitrasa 45 isa no natao nandritra efa-taona teo anivon’ny Ministeran’ny filaminam-bahoaka. Nanomboka ny taona 2019 no nisian’izany ka hatramin’ity taona 2023 ity.
Efa saika mitsindrona roro avokoa ny ankamaroan’ireo mpanendaka ankehitriny.