airtel

Fandriampahalemana

14-févr-2025

HALATRA « PANNEAU SOLAIRE »

2 lahy sarona teny Andravoahangy

Sample post image

Tratra teny Andravoahangy omaly Alakamisy 13 Febroary vao maraimbe ireo roalahy

14-févr-2025

isan'ireo mpangalatra "panneau solaire" sy jiro eto an-drenivohitra ka teny Faravohitra no lasibatra tamin’ny farany teo. Nifanehatra tamin'ny Polisy manao fisafoana izy ireo ka nosavaina ny entana teny aminy. Nahitàna "panneau solaire" sy jiro teny amin'izy ireo. Niaiky ireto farany fa halatra ireo entana hita teny aminy ary teny Faravohitra tokoa no nahazoana azy. Nentina nihazo ny biraon'ny Polisy avy hatrany izy ireo hanaovana fanadihadiana. Hiakatra fitsarana anio Zoma 14 Febroary.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy mpandripaka ireo jiro manazava ny tanana eto an-drenivohitra !
 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Taorian'ireo 16 tany Toliara izay

Card image cap
07-août-2026

an’ny andrimasom-pokonolona

Card image cap
07-août-2026

Jiolahy miisa 4 mandeha moto no nanafika

Card image cap