Ho an’ny tananan’i Tsarahonenana Ambatondrazaka ohatra dia saika isan’andro no hiainan’ny mponina izany antony nanosika ireo tompon’andraikitra hanara-maso akaiky. Vokany, olona miisa 9 no indray nosamborina noho ny halatra taribin-jiro sy fitaovan'ny orinasa BETC Jiro Kanto, izay mpiara-miombon'antoka amin'ny orinasa JIRAMA andro vitsy lasa izay. Nanao fanangonan-tsonia ireo fokonolona sy ny Ben'ny tanànan'Imerimandroso araka izany ny mba hahafahana mampiditra am-ponja ireto nahavanon-doza ireto izay marihina fa vehivavy ny telo. Nitory azy ireo ihany koa ilay orinasa mpiara-miombon’antoka amin’ny JIRAMA. Omaly moa no niakatra fitsarana ny raharaha ka fantatra fa naiditra am-ponja vonjimaika ny sasany tamin’izy ireo. Efa nahavitan'izy ireo vilany mihitsy ireo tariby halatra, ary havadiny ho vola izany avy eo.
Pati
Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha
Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,