Nahazo taratasy fiantsoana hiseho teny amin'ny tendrom-pitsarana miady amin'ny kolikoly na PAC Fianarantsoa i Jean Pierre Randrianamboarina, Ben'ny tanànan'ny Kaominina Ambanivohitra Ambatomarina, Distrika Manandriana Faritra Amoron'i Mania, andro vitsy nialohan'ny fankalazana ny Fetim-pirenena teo. Voarohirohy ho nanodinkodim-bolan'ny Kaominina iadidiany mitentina 760.000 Ariary izy. "Nampiasaina nanaovana saisie sy tonta printy taratasin-ketra tany amin'ny Cyber io vola io. Efa tonga eny amin'ny Vahoaka io taratasin-ketra io. Efa narotsaka tany amin'ny Bianco ny taratasy fanamarinana izany", hoy i Jean Pierre Randrianamboarina raha nanontaniana. Afaka namonjy ny Kaominina iadidiany izy taorian'ny famotorana azy, nitarika ireo hetsika samihafa tafiditra tamin'ny fankalazana ny Fetim-pirenena tao Ambatomarina. Andrasana amin'ny 7 jolay 2026 ny didim-pitsarana mikasika ity raharaha niakarany PAC tao Fianarantsoa ity. Tsy vao sambany niakaran'i Jean Pierre Randrianamboarina Fitsarana ity raharaha ity. Fony mbola mpianatra teny Ankatso izy dia isan'ireo mpitarika grevy voasambotra tamin'ny fomba nahery vaika nataon'ny Emmo-Reg ary niakatra Fitsarana. Nifandroritana teny amin'ny Fitsarana ihany anatin'ny fahazoany fandreseny tamin'ny fifidianana Ben'ny tanàna ny desambra 2024. Kandida tsy miankina izy. Lefitry ny fikambanan'ny Ben'ny tanàna ao amin'ny Faritra Amoron'i Mania i Jean Pierre Randrianamboarina.
Jean D.