Naratra mihitsy ilay lehilahy voakapa famaky. Niantso vonjy anefa ireto notafihina ka nisy naheno ary dia nirohotra namonjy ireo mponina manodidina. Na dia nitsoaka aza izy roalahy dia tsy namelan'ny fokonolona raha tsy azo. Eto izahay dia misaotra ireo fokonolona Ambalafenoarivo fokontany sy Kaominina Vasiana, Distrika Mandoto, fa mihatra tanteraka ny toromarika nampitain'ny zandarimaria hifampiarovana samy mpiara-monina, hoy ny zandarimaria ao an-toerana. Naterin'ny fokonolona sy ny kartie mobily teny amin'ny tobim-paritry ny Zandarimaria Mandoto moa izy roalahy ary hatao fanadihadiana sy atolotra fitsarana, hoy hatrany ny voalaza.
J. Mirija
Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha
Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,