airtel

Fandriampahalemana

19-juil-2023

Fandriampahalemana

Lalana Rocade d’Iarivo Misy mangalatra ireo vy mari-pamantarana

Sample post image

Mirongatra ny halatra vy eto amintsika. Efa niakatra ho 1.000 Ar rahateo ny iray kilao amin’izy ireny hany ka lasa

19-juil-2023

manaotao foana avokoa ny ankamaroan’ireo tsy manana antom-pivelomana matotra. Ankoatra halatra varavaramby, ny tetezana, ny vy eny amin’ny fasana dia efa misy mangalatra ihany koa amin’izao ireny karazana mari-pamantarana vita amin’ny vy ireny. Voakasik’izany manokana ny eny amin’ny lalam-baovao Rocade d’Iarivo izay mampitaraina fatratra ireo mponina. Toa izy ireo hatrany mantsy hoy ireto farany no mahazo loza rehefa misy zava-mitranga eny an-toerana. Tafiditra ao anatin’izany ireo mpandalo misy manendaka izay efa nisamborana zanak’olona maromaro teny an-toerana. Ankehitriny mari-pamantarana maromaro indray no very izay ahian’izy ireo hitera-doza ho an’ireo mpamily mampiasa iny lalana iny, indrindra fa ireo mandefa mafy. Manao antso avo ny amin’ny tokony hanamafisana ny fandriampahalemana eny amin’iny faritra iny araka izany ny mponina. Notsindrian’izy ireo moa fa olona avy any ivelany mihitsy no tonga manao zava-dratsy eny amin’iny lalam-baovao Rocade iny.
Pati
(Tahirin-tsary)
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha

Card image cap
23-mai-2025

Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,

Card image cap
22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap