Raha araka ny fantatra dia tao an-tokantranony ihany Itompokolahy no nisy nanafika rehefa avy notofirina. Notrobatrobarina tamin’ny antsy ny tendany noho izany raha tao an-damosiny kosa no voalaza fa nidiran’ny bala. Olona sendra nitady ka tsy nahita azy tonga tany am-piasana no taitra ka nahita azy efa tsy nisy fofon’aina intsony. Raha araka ny fantatra moa dia anisan’ny andraikitra goavana sahaniny eo anivon’ny kaominina ny resaka sosialy. Olona akaiky sy hatokisan' ny solombavambahoaka Milavonjy Andriasy ihany koa ny tenany. Miantso ny mpitandro ny filaminana mba hanao fanadihadiana lalina mikasika ity vono olona mahatsiravina ity ireo fianakaviany sy ny mpiara-miasa aminy.
Nangonin’i Pati
Legende : Rotidrotika tahaka izao ny tendan’Itompokolahy
Nisehoan’ny zava-doza indray ny faritra Tanjombato, raha hita faty teny amin’ny Barrage