airtel

Fandriampahalemana

26-nov-2024

LEHILAHY HITA FATY

Ny rahalahiny ihany no nanafaka ny ainy

Sample post image

Ny rahalahiny iraitampo aminy ihany no fantatra fa nanafaka ny ain’ilay lehilahy iray 48 taona

26-nov-2024

hita faty tany amin’ny Fokontany Anjozoro Atsinanana, distrikan’i Manjakandriana. Raha tsiahivina kely dia ny alin’ny 21 Novambra lasa teo no nahitana ny razana niaraka tamin’ny lamba norakofany efa nihosin-dra. Rotidrotiky ny zava-maranitra ihany koa ny lohany sy ny tongony izay fantatra fa vono olona niarahan’io rahalahiny iraitampo aminy io tamina tovolahy roa hafa namany. Voalaza ho manana olana ara-tsaina moa Itompokolahy ka niteraka fahasorenana ho an’ilay iraitampo aminy izay niray trano taminy noho ny disadisam-piarahamonina nisy teo amin’izy ireo. Tonga hatramin’ny fanalana ny ainy izany. Mbola nahitana antsy mihosin-dra ihany koa moa teo akaikiny hoy ny loharanom-baovao.
Pati
Legende : Ireto izy telolahy nahavanon-doza !
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha

Card image cap
23-mai-2025

Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,

Card image cap
22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap