Raha tsiahivina kely ny tantara dia nandray ity fiara karetsaka ity teny bypass io lehilahy io ka nilaza ny aterina eny Namontana.Teny an-dalana dia niteny ity farany fa ho eny amin'ny fasan-karana. Rehefa izay dia nilaza ny aterina eny Anosizato indray izy ary nilaza fa mbola tsy misy vola any aminy. Mailo araka izany ny mpamilin’ilay fiara karetsaka ka nijanona teo amin'ny tobin-dasantsy iray teo Ankadimbahoaka ary nampandre avy hatrany ireo mpitandro ny filaminana manodidina teo amin’ny manodidina. Tsy niandry ela ireo polisy ka tonga nijery ity olon-dratsy ity. Rehefa nosavaina izy dia tsy nahitana na inona na inona afa-tsy antsy iray. Tsy nisy vola koa tany aminy na dia ariary aza. Niaiky moa ity lehilahy ity fa nikasa hangalatra ity fiara-karetsaka nofainy ity. Nentina nihazo ny birao avy hatrany ity farany nanaovana ny fanadihadiana.
Pati
Jiolahy 3 lahy nitondra basy sy antsy no nanafika sy nandroba toeram-pivarotana fitaovana fanamboarana trano na
Tena efa tsy mifidy harapaka intsony ireo jiolahy ankehitriny. Jiolahy miisa 3 no indray nanafika tokantrano iray tao Antanetibe