airtel

Fandriampahalemana

21-mai-2025

MPAMAKY TRANO NANANTENA ZAVATRA

Hatreo am-bavahady ihany no nindramany ilay « écran plat »

Sample post image

Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

21-mai-2025

Mpamaky trano iray indray no nanantena zavatra kinanjo hatreo am-bavahady ihany no nindramany ilay ecran plat nobatainy avy tao an-tranon’olona. Ny Alahady 18 May lasa teo no nitrangan’izany teny Ambohimanambola tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro. Raha araka ny fantatra dia tsikaritry ny tompon-trano avy aty ivelany izy io. Niantso zandary ireto farany ka samy nanara-maso ny roa tonta. Minitra vitsy monja dia nivoaka Ingahirainy ary nisaoty varavarankely niaraka tamin'ilay fahitalavitra fisaka. Nitsena azy amin'ny endrika miramirana ny tompon-trano sy ny zandary. Izy kosa nivalomainty ohatra ny godorao nohosorana arina sady nanolotra tsy fidiny ilay entana nindramina 2 minitra monja. Mponina eny Mananjara Paraky Ankadimbahoaka Ingahirainy no tonga manao fanazaran-tena misabàka varavarankely teny Ambohimanambola saingy izao tratra izao. Efa nalefa naka saika vonjimaika eny Antanimora ny anaolahy.
Pati
Legende : Feno mpamaky trano sy mpanendaka tahaka izao ao Antanimora !

 

Dans la même rubrique

20-juin-2025

Jiolahy iray voalaza fa badin’ny Fasan’i Karana no tratra tao anaty

Card image cap
19-juin-2025

Roalahy no tompon’antoka, tratra tao anaty taxi-brousse Lehilahy

Card image cap