airtel

Fandriampahalemana

15-févr-2023

Fandriampahalemana

Lehilahy nisandoka ho polisin’Alasora Tratra tany Carion niaraka tamin’ny fitaovan’ny polisy very

Sample post image

Lehilahy iray nisandoka ho Polisin’Alasora no vaosambotry ny zandary tany Carion afak’omaly 13 Febroary rehefa nanao fanararaotana tany an-toerana.

15-févr-2023

Avy hatrany dia niantso ny lehiben’ny kaomisarian’Alasora ny zandary tao Carion ka teo no nahalalana fa misandoka ho Polisy ity lehilahy ity. Nidina teny an-toerana ny Polisy miasa ao Alasora naka io lehilahy io ary mbola tratra teny aminy ny survêtement izay an’ny polisin’Alasora, TAP iray,teeshirt izay fanaovan’ny mpianatra ho polisy iray ary kitapo iray. Marihina fa fitaovana polisy iray no nisy nangalatra teny Alasora ny 04 Febroary lasa teo ary tratra teny amin’io lehilahy io. Efa ao amin’ny kaomisarian’Alasora moa ity lehilahy ity hatao fanadihadiana.
Pati
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap