airtel

Fandriampahalemana

08-sept-2022

Fandriampahalemana

Mahajanga Tratra ilay mpisoloky amin’ny MVola

Sample post image

Tena efa henjana ireo olona mpisoloky amin’ny M Vola. Mpanjifa miisa efatra tao Mahajanga no fantatra fa efa nahazoany vola 1.000.000 ar, 5.000.000 ar, 850.000 ar, sy 430.000 ar avy.

08-sept-2022

Mody mivezivezy eo amin’ny kiosque manao «dépôt» ireo mpisoloky nefa maka sary ireo laharana ao anaty kahie misy vola betsaka. Antsoiny ireo laharana ireo avy eo ary lazainy fa mpiasan’ny Telma izy ireo hahafahany misandoka hanomezana ny toromarika hahazoany mangalatra sy misintona ny vola.Natao ny vela-pandrika taorian’ny fitoriana napetrak’ireo efa lasibatra ka iray no tratran’ny zandary tany an-toerana ary efa naiditra am-ponja vonjimaika. Lehilahy ny ankamaroan’izy ireo.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap