Fantatry ny Polisy miandraikitra iny faritra iny ny fisian’olona mikasa hivarotra moto jog miloko mainty izay tsy ara-dalana. Araka ny re dia hamidy mora amin'ny vidiny 300.000 Ar ilay moto. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo Polisy nanoloana izany. Natao ny vela-pandrika fa hovidina ilay moto ary rehefa niroso tamin'ny fanamarinana ny antotan-taratasy ireo mpividy dia hita sy voamarina fa tsy ara-dalana tokoa ilay moto. Mipetraka eny amin'ny faritra Anosibe ity lehilahy voasambotra ity raha teny amin'ny faritry ny boriborintany fahatelo kosa izy no tratra nivarotra izany. Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana fa teny Anosizato no nangalarina ilay moto ary namidy teny Mahavoky/Besarety.
Pati
Legende : Ity ilay tovolahy nivarotra moto halatra 300.000 Ar
Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha
Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,