airtel

Fandriampahalemana

12-mars-2025

MANGALATRA MOTO

Mahazo moto 1 na 2 isam-bolana ireo tena efa atidoha

Sample post image

Moto iray na 2 isam-bolana raha kely no entin’ireo efa tena ati-doha amin’ny fangalarana azy

12-mars-2025

eny Andoharanofotsy Atsimondrano eny ary ovainy ny lokony avy eo. Niainga avy tamina fitoriana nataona tokantrano iray nisy namaky teny Andoharanofotsy teny ny alin’ny 12 Febroary teo no nahatrarana azy io. Finday iray very tao amin’io tokantrano io no tsikaritra teo ambony latabatry ny mpisera finday tao amin’ny tsenan’Andoharanofotsy. Io mpisera finday io avy eo no nahatrarana ilay mpandoko moto nanakalo finday teo amin'ity mpisera ity. Tovolahy iray nitondra moto no nanome ilay finday ho an'ny mpandoko ho saran'ny fandokoany ilay moto halatra. Olona 4 no voasaringotra vokatr’izany. Lohalaharana ilay mpisera finday halatra. Teo koa ny mpandoko ilay moto sy ny mpividy halatra ary ilay mpiray tsikombakomba. Olona efatra mpanao halatra moto sady mpamerin-keloka moa no mbola karohina ary atao hazalambo. Nahitana moto miisa 8 halatra moa tao amin’izy ireo toy ny Kymco G5, ny Super 8….niampy carenage 6 gony.
Pati
Legende : Ireto ireo karazana moto efa tratra tao amin’izy ireo !
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Nisehoan’ny zava-doza indray ny faritra Tanjombato, raha hita faty teny amin’ny Barrage

Card image cap