airtel

Fandriampahalemana

03-mars-2026

Minisitry ny filaminam-bahoaka

tany Toamasina

Sample post image

Mijoro ho an’ny vahoaka ny polisy na isan’ny traboina aza »

03-mars-2026

Nidina ifotony nijery sy nanara-maso ny fanatanterahana ny fandaharan’asa « TOAMASINA MIARINA » taorian’ny rivo-doza ny Minisitry ny filaminam-bahoaka IGP Erick Michel. Amin’ny maha mpikamban’ny goverenamanta, nisy fihaonana tamin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ao amin’ny komity fanarenana (comités d’orientation). Namantatra ny dingana efa vita sy ny mbola hatao, ny olana misy sy ny vahaolana ahafahana miroso. Nandray sy nanara-maso ireo fanampiana avy amin’ny malala-tanana sy tsara sitra-po, ary namantatra ny fomba fizarana mba hahatonga azy any amin’izay tokony hisitraka. Nihaona tamin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny asa fanarenana, na avy eto an-toerana na avy any ivelany, nahafahana namaritra ny fiaraha-miasa,... Tamin’ny ankampobeny, nizotra miandalana ny asa fanarenana ny takaitra navelan’ny rivo-doza, izay miompana bebe kokoa amin’ny fitsinjovana ny maha-olona amin’izao fiandohany izao. Misy lesoka izay arenina amin’ny fanafaingianana ny fomba fiasa sy fandrindrana ny anjara asan’ireo mpiantsehatra mba tsy hisy fifampiandrasana eo amin’ny fanatanterahana ny asa. Amin’ny maha-minisitra misolo tena ireo minisitra miandraikitra ny departemantan'ny hery fiarovana, nihaona tamin’ireo tafika, zandary ary polisy nalefa hamita iraka manokana ao Toamasina izy. Aman-jatony no mirotsaka an-tsehatra amin’ny fanadiovana ny tanàna, fanalana ny sakana noho ny fako sy hazo na andrin-jiro tapaka, manampy amin’ny fitaterana fanampiana avy amin’ny malala-tanana, indrindra ny fiantohana ny fandriam-pahalemana, fiarovana ny vahoaka sy ny fananany,… Nitondra fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana ho azy ireo ny minisitra. Ho an’ny polism-pirenena manokana, nitondra takaitra avokoa ny fotodrafitrasa 5 ao Toamasina. Ny foibe fibaikoana ny hery vonjy taitra ao Tanambao Verrerie rava 90 %. Maro amin’ireo polisy no rava trano fonenana, ary mandraka ankehitriny dia mbola misy polisy mialokaloka amin’ny birao fiasana miaraka amin’ny vady aman-janany, saingy manohy ny adidiny. Nanolotra fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana ho an’ny FIVAPOVA (Fikambanan’ny Vadin’ny Polisy sy ny Polisy Vavy): vola, vary, menaka, savony, kojakoja fanadiovana sy fampiasa andavanandro. Noraisina sy natolotra ny fanampiana avy amin’ny malala-tanana: vary, menaka, savony…, niampy fitaovana fanarenana trano toy ny fanitso sy fantsika. Nomena kidoro ihany koa ireo polisy 160 mamita iraka manokana, ankoatra ny sakafo manta sy masaka ho vatsy. « Tsy mora ny fanarenana, saingy ny asa maha-polisy tsy maintsy atrehina. Mitaky fijoroana hatrany ho andry iankinan’ny vahoaka na eo aza ny maha-tra-boina », hoy ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka tarihin’ny Minisitra Erick Michel.
Toky R

 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

Lehilahy iray 75 taona no voasambotry

Card image cap
06-mars-2026

Ilay mpidaroka indray no nitory, hiakatra fitsaràna anio

Card image cap
06-mars-2026

Notanterahina ny alin’ny 02 martsa teo

Card image cap
05-mars-2026

fa tsy nety nanala zaza

Card image cap
05-mars-2026

Nanao hetsika manokana ny zandarimaria

Card image cap