Miisa 22 ny toeram-piasana sy fonenana ho an’ny Tale-paritry ny Polisim-pirenena ka ny 09 amin’izy ireo no efa notokanana, fa ny telo ambiny folo 13 ambiny kosa miandry fitokanana. Miisa enina 16 ny komisaria eny amin’ny distrika, ka iray 01 no efa voatokana ary ny 15 miandry fitokanana raha miisa 07 ireo vao hatsangana. Mikasika ny fampitaovana kosa dia miisa 16 ny fiarakodia efa azo, 277 isa ny moto izay novidiana sy fanomezana avy amin’ny Filoham-pirenena sy avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka. Eo amin’ny fampitomboana isa ny mpitandro filaminana dia miisa 04 ny fifaninanana nandraisana mpianatra ho polisy notanterahina nanomboka ny taona 2019 hatramin’ny taona 2022, ka ny andiany roa voalohany dia efa am-perin’asa ankehitriny izay miisa 2.500. Ny andiany fahatelo kosa miisa 1300 izay mbola eo an-dalam-piofanana ankehitriny raha ny eo am-piandrasana ny valin’ny fifaninanana sy ny fidirana any amin’ny sekoly kosa ireo andiany farany miisa 1300.
Pati
Jiolahy 3 lahy nitondra basy sy antsy no nanafika sy nandroba toeram-pivarotana fitaovana fanamboarana trano na
Tena efa tsy mifidy harapaka intsony ireo jiolahy ankehitriny. Jiolahy miisa 3 no indray nanafika tokantrano iray tao Antanetibe