airtel

Fandriampahalemana

29-juin-2026

MORAFENOKELY TSIROANOMANDIDY

Lasan'ny jiolahy ny razana 15 isa tao am-pasana

Sample post image

Mihamahazo vahana ny vaky fasana

29-juin-2026

ao Tsiroanomandidy ao. Fasan-drazana iray tao Morafenokely indray no nisy namaky, raha araka ny vaovao azo. Lasan'ireo mpandroba avokoa ny razana miisa 15 tao am-pasana. Tsy fantatra hoy hatrany ny vaovao izay namaky ny fasana fa mpiandry omby sendra nandalo no nahita izany afak'omaly Sabotsy 27 jona ka nampandre ny tany an- tanàna avy hatrany. Efa nidina teny an- toerana nanao fitsirihana ity vaky fasana ity moa ny Polisim-pirenena ao Tsiroanomandidy ary efa nanokatra fanadihadihana. Mbola fanontaniana mipetraka eny anivon'ny fiaraha-monina hatreto ny antony ilain'ireo jiolahy ny taolam-paty. Toraka izany koa ny tena tompon'ny ati-doha maniraka azy ireny izany tsy mety tratra mihitsy. Ho an'ny distrikan'i Tsiroanomandidy manokana dia fasana manodidina ny 5 hatreto no efa vaky tao anatin'ny 2 volana teo ho eo k nahaverezana taolam-balo am-polony maro.
Nangonin'i Pati

Légende : Niparitaka teny rehetra teny tahaka izao ny lamba nifonosan'ireo razana !
 

Dans la même rubrique

03-sept-2026

Mitotaly 16 tapitrisa Ariary no lasan’ireo olon-dratsy

Card image cap
03-sept-2026

Lasa ny 20 tapitrisa Ar sady naratra

Card image cap
02-sept-2026

Vita fitsirihana sy azon’ny fianankaviana nalaina ny razana

Card image cap
02-sept-2026

fiara nitondra rongony ! »

Card image cap
02-sept-2026

nalaina an-keriny, hita faty

Card image cap