airtel

Fandriampahalemana

06-déc-2022

Fandriampahalemana

Morombe Nisy nanongotra ny voamason’ilay rangahy

Sample post image

Lehilahy iray manodidina ny 45 taona eo ho eo omaly alatsinainy maraina no nalain’olon-tsy fantatra voamaso tao amin’ny Fokontany Beorinkazo,

06-déc-2022

kaominina ambanivohitra Antongo, distrikan’i Morombe, Faritra Atsimo Andrefana. Mbola velona ity lehilahy ity no nisy nanipy tany anaty kirihitra ka novonjen’olona. Nentina avy hatrany namonjy ny tobim-pitsaboana ao Antongo ny tenany araka izany. Raha araka ny fanazavany moa dia olona nitazona ny tanany no hany reny. Tsy nisy hitany kosa ireo naka ny voamasony fa ilay izy efa notsoahina tao amin’ny toerany sy nivoa-dra no reny. Tsiahivina moa fa tena mampitaraina fatratra ireo mponina any an-toerana tokoa ny resaka tsy fandriampahalemana indrindra fa ny resaka halatra voamaso. Tsy vao sambany mantsy no nisy tahaka izao hoy ny vaovao azo fa saika matetika mihitsy.
Nangonin’i Pati
Legende : Mbola nihosin-dra tahaka izao ity raim-pianakaviana ity no nisy nahita
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap