kaominina Marofandilia rehefa nalain’ireo olon-dratsy ny masony. 30 km miala ny renivohitr’i Morondava no nisehoan’io tranga io. Raha araka ny vaovao azo dia avy niantsena izy ireo no efa nisy nahatsikaritra fa nisy nanaraka. Nitohy tamin’ny fahafatesany avy hatrany ny tranga nisy saingy tsy nisy nahatsikaritra. Raha araka ny fantatra moa dia olona mila ravinahitra ny iray tamin’ireto Renim-pianakaviana ireto ary tao Ampataka izy no niasa. Mitohy araka izany ny fanarahan-dia hataon’ny fokonolona sy ny zandary manoloana ity halatra maso nitranga tany an-toerana ity. Efa misy ny toerana ahiahiana mety ahitana ireo jiolahy. Ankoatra ny halatra maso moa dia fantatra fa mirongatra ihany koa ny vaky trano ao Morondava tato anatin’ny tapa-bolana izao. Tokantrano maro no efa lasibatra raha araka ny fitarainana azo.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireo fianakaviana mana-manjo
Nisehoan’ny zava-doza indray ny faritra Tanjombato, raha hita faty teny amin’ny Barrage