Ambodirano iny no nosamborin’ny Polisy misahana ny ady amin'ny zava-mahadomelina ny Alakamisy 14 Septambra lasa teo. Raha araka ny fantatra dia efa tena mampikaikaika ny olona eny an-toerana mihitsy ny fisian'ireo mpivarotra rongony eny amin’ny faritra misy azy izay mitarika ireo tanora hirona sy hilona ao anatin’ny fidorohana zava-mahadomelina. Tratra teo am-pivarotana rongony mihitsy moa ity lehilahy ity. Rongony 29 fonosana milanja 200 grama no hita teny aminy nandritra izany. Rehefa natao famotorana moa ny anaolahy dia nilaza izy fa ra-Bebe eny Ambohimanarina izany no hakany 1 sachet ka 20.000 Ar no hividianany azy ary tsinjarainy amin’ny fonosana mba hoamidiny 500 Ar isanisany izany avy eo. Mahalafo 15 fonosana isan’andro izy araka ny araka ny voalazany . Efa naiditra am-ponja vonjimaika moa ny anaolahy.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay ranamana tratra !
Jiolahy 3 lahy nitondra basy sy antsy no nanafika sy nandroba toeram-pivarotana fitaovana fanamboarana trano na
Tena efa tsy mifidy harapaka intsony ireo jiolahy ankehitriny. Jiolahy miisa 3 no indray nanafika tokantrano iray tao Antanetibe