Septambra lasa teo dia tovolahy iray vao 23 taona monja mpanendaka no tratra nitondra antsy maranitra nivezivezy teny an-toerana. Polisy manao fanamiana sivily no nahatsikaritra azy io rehefa nikasa hanendaka olona teo amin'ny tobim-piantsonan’ny taxibe akaikin'ny Vaniller Hotel. Vao nanatona ny Polisy dia nandositra ity farany saingy tratra ihany. Araka ny angom-baovao azon'ny Polisy dia efa matetika manao izao asa ratsy izao eny amin'ny manodidina ny 67ha ity farany sy ny namany hafa. Maromaro izy ireo no manao izany ka mahavita manindrona antsy olona mihitsy ny sasany na dia amin’ny volakely 5.000 Ar monja aza. Hiakatra fampanoavana anio Zoma 15 Septambra moa ny raharaha. Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay ranamana mpanendaka miaraka amin’ny antsy eny Andohatapenaka !
Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha
Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,