faritra Ambohijatovo ny lehilahy iray 29 taona ny tapaky herinandro lasa teo. Tratra ambodiomby noho ny resaka halatra izy io. Ny 22 May lasa teo tokony ho tamin’ny 09 ora sy 20mn raha tsiahivina dia nisy renim-pianakaviana niaraka tamin’ny fianakaviany nandeha taxi-be zotra 161. Rehefa nijanona teo Ampandrana ilay zotra dia nisy lehilahy niakatra ka nipetraka teo akaikin’iry voalohany. Rehefa nandeha ilay fiara dia nilaza ity farany fa iala eo Ankorahotra. iIlay zotra anefa tsy mandalo eny amin’io toerana voalaza io ka nidina teo Antsahabe teo amin’ny fiantsonana La Mascotte ny tenany. Taorian’ny fialany dia nahatsikaritra ilay ramatoa fa tsy tao anaty poketrany intsony ny findainy. Noho ny tonga teny Ambohijatovo anefa ny tenany dia talanjona nahita ilay lehilahy nipetraka teo akaikiny indray nidina tamin’ny taxi be zotra hafa 178. Niantso ny Polisim-pirenena miasa ao amin’ny kaomisaria CSP1 Analakely moa ilay vehivavy niharan’ny halatra. Nandray ny andraikiny ireo mpitandro ny filaminana ka nosamborina avy hatrany ilay lehilahy. Nandritra ny fisavana azy dia mbola tra-tehaka teny aminy ilay finday very tao anaty zotra 161. Noentina teny amin’ny biraon’ny Polisy avy hatrany ny anaolahy. Taorian’ny fanadihadiana natao dia natolotra ny Fampanoavana ary notanana am-ponja vonjy maika eny Antanimora izy. Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay ranamana tratra !
Vaky trano teny Ivandry, vaky trano tetsy Tsiadana Lehilahy iray 33 taona
Ao anatin'ny fanadihadiana ny polisim-pirenena na borigady misahana
Tena efa mivadika ho biby ny olombelona ankehitriny.