tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Fandriampahalemana

Mpitondra taxi nisandoka ho kaomisera An-tapitrisany maro ny vola efa azony taman’olona

Miha mitombo hatrany ireo mpisoloky eto amintsika. Lehilahy iray 48 taona indray no saron’ny kaomisarian’ny

13-févr-2023

Sample post image

boriborintany faharoa etsy Ambohijatovo rehefa nisoloky sy nivadika tamin’ny fitokisana ary nisandoka andraikitra tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo. Milaza amin'ny olona ity rangahy ity fa kaomisera miasa ao amin'ny Polisy misahana ny ady heloka bevava na "Brigade Criminelle" ao Anosy sakelika faha-4. Hngalany vola an-tapitrisany ireo olona solokiany mba hanavotana ireo izay manana afera amin'ny heloka bevava ary tsy hita intsony izy avy eo. Maro ireo efa tratrany tamin'izany ary misy ireo hanaovany fanamparam-pahefana mihitsy noho izany andraikitra lazainy fa sahaniny izany. Rehefa nandeha anefa ny fikarohana dia fantatra fa mpitondra fiara karetsaka ihany ity lehilahy ity fa tsy kaomisera velively. Natolotra ny Fampanoavana tamin’ny zoma 10 teo ny lehilahy ka vesatra telo be izao niampangana azy, dia ny fivadiam-pitokisana amin'ireo olona efa nangalany vola, fisolokiana, ary ny fisandohana andraikitra. Naiditra eny amin'ny fonjan' Antanimora vonjimaika ity lehilahy ity miandry ny fitsarana azy.
Pati
Legende : eny amin’ny fonjan’Antanimora ilay mitondra taxi niana-kendry nisoloky ho kaomisera
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Fandraisana mpitandro filaminana Mila matotra sy hentitra kokoa ny fepetra sy sivana
02-juin-2023

Niparitaka ary niteraka adihevitra teny amin’ny tambajotran-tserasera omaly ny fisiana tovolahy iray vao nivoaka ho zandary, nanapatra fahefana sy nandrahona milaza fa hanapotika fiainana tovovavy iray tsy nanaiky azy,

Card image cap
Polisim-pirenena Olon-dratsy 255 tamin’ireo1442 nosamborina no maty
02-juin-2023

Niasa mafy ny polisim-pirenena nandritra ny taona 2019 ka hatramin’ny taona 2023 no mankaty. Olon- dratsy isan-tsokajiny miisa 1.442 izany hoe no nosamborin’izy ireo ka ny 255 isa tamin’ireo no namoy ny ainy.

Card image cap
Ministeran’ny filaminam-bahoaka Foto-drafitrasa 45 no naorina tao anatin’ny efa-taona
02-juin-2023

Fanorenana foto-drafitrasa 45 isa no natao nandritra efa-taona teo anivon’ny Ministeran’ny filaminam-bahoaka. Nanomboka ny taona 2019 no nisian’izany ka hatramin’ity taona 2023 ity.

Card image cap
Mpanendaka tratra teny isotry Nahitana diana seringue fitsindronana rôrô ny tanany
01-juin-2023

Efa saika mitsindrona roro avokoa ny ankamaroan’ireo mpanendaka ankehitriny.

Voir plus