airtel

Fandriampahalemana

25-avril-2025

MPIVADY HODY TENY FENOARIVO

Nendahina tovolahy miisa 5 avy eny Anosibe

Sample post image

Tsy milamina intsony ny fandriampahalemana eto amintsika.

25-avril-2025

Mpivady handeha hamonjy fodiana vao tamin’ny 06 ora hariva no fantatra fa nisy nanendaka teo amin'ny sampanan'ny Malaza Fokontany Ampefiloha kaominina ambanivohitr’i Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano afak’omaly Alarobia 23 Aprily. Tovolahy miisa 5 no fantatra fa nanendaka ka lasany tamin’izany ny radio carte JBL iray, niampy sakaosy sy poketra. Nobedain’izy ireo ilay rangahy raha tafatsoaka niampita arabe ny vadiny sady niantso vonjy. Nantsoin'ny fokonolona teo no ho ny tompon’andraikitra izay nanao fisafoana tsy lavitra ilay toerana. Voasambotra vokatry ny fiaraha-miasa tamin'ny fokonolona ny roalahy tamin'ireo 5 lahy raha tsy ela taorian’izay dia voasambotra ny 3 lahy namany.Tovolahy 17, 19, 20, 20 ary 22 taona samy mponina eny Ivolaniray Anosibe Boriborintany faha-IV avokoa izy ireo.
Pati
Legende : Ireto izy 5 mirahalahy mponina avy eny Anosibe !

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Nisehoan’ny zava-doza indray ny faritra Tanjombato, raha hita faty teny amin’ny Barrage

Card image cap