airtel

Fandriampahalemana

26-avril-2024

Nahiana ho nanadala vadin’olona

Sinoa iray maty voakapa famaky

Sample post image

Ny 24 aprily 2024 teo no nahazo antso ny zandary avy ao amin'ny «Poste Avancé Masindray»

26-avril-2024

ny amina fisiana zavatra maimbo anaty gony teny an-tanimbary eny Ambotomanana, fokontany Ivoara, Kaominina Masindray, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Ahiana ho fatin'olona, hoy ny fanazavana. Nidina teny an-toerana ny zandary niaraka tamin'ny mpitsabo lehiben'ny CSB 2 Masindray mba hanao ny fizahana. Lehilahy iray teratany sinoa 52 taona no hita faty, nofonosina gony ary nalentika tao anaty tanimbary. Fantatry ny olona teny amin'ny manodidina avy hatrany moa satria olona mipetraka eny Antanambao, fokontany Ivoara, Kaominina Masindray. Nosokafana ny fanadihadiana, nisy ny olona noahiahiana dia tsy iza fa ireo olona niasa tao amin'ity teratany sinoa maty ity ihany. Omaly 25 aprily 2024, niaiky ilay lehilahy mpiasa nanao fiambenana tao amin'ity sinoa ity fa izy no namono nahafaty sy nanafina izany faty izany teny an-tanimbary ny alin'ny 14 aprily 2024. Ny antony namonoany an'ilay sinoa dia noho ity farany nanadaladala ny vadiny ka nokapohiny tamin'ny famaky noho izany no lohany. Nahafantatra ny famonoana izay nataom-badiny ilay ramatoa ka noho izany dia noraisina ho isan'ny mpiray tsikombakomba satria tsy nilaza tamin'ny manam-pahefana, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray omaly. Maty voakapa famaky, araka izany, ilay sinoa voalaza ho nanadaladala ny vadin’ny mpiambina azy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Nisehoan’ny zava-doza indray ny faritra Tanjombato, raha hita faty teny amin’ny Barrage

Card image cap