Anisan’ireny ny fanolanana izay mihatra aman’aina mihitsy ho an’ny sasany toy ny zazalahy kely sy ny vehivavy bevohoka, ny zazavavy kely sy ireo olona efa nahazo taona…. Tsy mijanona eo anefa izany fa misy mahavita mamono sy mandratra olona mihitsy ny sasany toy ny zava-niseho teny Namontana omaly. Tovolahy iray voalaza fa mamondron-gony no nanindrona antsy olona ka miisa 8 ireo lasibatra tamin’izany. Voatsindrona antsy teo amin’ny kibony ny sasany, ny sasany tamin’ny lohany sy ny tanany ….Voatery nentina namonjy hopitaly moa ireto farany raha nezahina nosamborina kosa io tovolahy io. Noho ilay fitaovana maranitra teny an-tanany sy ny tanjany anefa dia somary nanano sarotra ihany ny nanatanteraka izany ka niantsoana tompon’andraikitra mihitsy. Tokony hitandrina ny rehetra manoloana ny tranga tahaka itony. Tsy fantatra intsony mantsy ireo karazan’olona mety hifanena eny an-dalana ka aleo malina hatrany.
Pati
Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha
Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,