airtel

Fandriampahalemana

19-nov-2025

Nangala-bola tany Mananara Avaratra

Tratra teto Antananarivo ilay mpiasa nivadi-pitokisana

Sample post image

Lehilahy iray nangala-bola tamin’ny

19-nov-2025

mpampiasa azy tao Mananara Avaratra no voasambotry ny Polisim-pirenena ny 16 Novambra maraina teo, tao amin’ny toby fiantsonan’ny taxi-brousse etsy Ambodivona–Antananarivo. Ny 11 Novambra lasa teo raha tsiahivina dia naharay fitarainana ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny Kaomisarian'i Mananara Avaratra, nilaza fa very vola mitentina 5.800.000 Ar tao amin’ny tranombarotra iray any an-toerana. Nolazaina tao anatin’ny fitarainana fa mpiasa tao amin’ilay fivarotana ihany no nahiahiana nanao ny halatra ny alin’ny 10 Novambra. Nanao ny fikarohana ny Polisim-pirenena ka voamarina fa ilay mpiasa voatondro no tompon’antoka. Nandositra izy taorian’ny asa ratsy nataony. Napetraka ny paikady mba hisamborana azy.Vokatry ny fiaraha-miasa akaiky tamin’ny Polisin’ny Kaomisaria Boriborintany faha-3 Antaninandro (CSP3) dia tao Ambodivona izy no tratra ny marainan’ny 16 Novambra teo. Notanana eny amin’ny biraon’ny Polisy izy ary haverina any Mananara Avaratra hanohizana ny fanadihadiana mialohan’ny hanolorana azy eo anatrehan’ny fampanoavana.
Pati
Légende : Ity ilay ranamana !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2026

voaroba sady voatsindrona antsy teny amin'ny RN4

Card image cap