Tontosa soa aman-tsara tetsy amin'ny Toby CGP Razafindrazaka Berthin Antanimora, ny lanonana fametrahana ny galona maha "Agent de Police de premier échelon" azy ireo. Miisa 302 mianadahy izy ireo no nahazo izany galona izany ka ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police Rakotoarimanana Herilala no nitarika ny lanonana niaraka tamin'ireo mpiara-miasa akaiky aminy eto anivon'ny Minisitera. Nivoaka ny ENIAP ny taona 2022 izy ireo ary nahafeno ny fepetra hisitrahana izao fisondrotana galona izao. Tena mahafinaritra ny fitomboan’ny isan’ny mpitandro ny filaminana tahaka izao. Tena mahafinaritra ihany koa ilay fihetsiketsehana saingy ahoana marina ny mikasika ny fiarovana ny ain’ny vahoaka sy ny fananany e ? Tena mampitaraina fatratra ny maro mantsy ny tsy fisian’ny fandriampahalemana misy eto amintsika raha tsy lazaina intsony ny fakana vola hataon’ny polisy amin’ireo mpampiasa lalana toy ny taxibe sy ny fiara mpitatitra entana.
Pati
Legende : Nandritra ny fametrahana galona azy ireo .
Nisehoan’ny zava-doza indray ny faritra Tanjombato, raha hita faty teny amin’ny Barrage